♦ Tombanana ho tafiditra eto Madagasikara amin'ny talata na ny alarobia izao ilay rivo-doza Freddy. Any amin'ny 2 000 km, atsinanana somary avaratra atsinanan'i Toamasina no nisy ny foibeny ka mitondra rivotra 200 km/ora... ♦ Mikasa ny hamerina haka ny toeran'ny filoha lefitra fahafito eny amin'ireo Antenimiera mpanao lalàna ny RMDM. Mitaky amin'ny Fanjakàna hamoaka ny didim-panjakàna fampiharana izany, ny Rodoben'ny Mpanohitra omaly... ♦ Tsy maharaka intsony ny foto-drafitr'asa handraisana ny mponina ao an-drenivohitra, noho ny fifindrà-monina an-tanàn-dehibe. Nitombo ho 2 000 000 isa eo amin'izao ny isan'ny mponina ao Antananarivo Renivohitra, raha tokony ho 400 000 fara-fahabetsany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...