♦ Manomboka mihena ny herin'ilay rivo-doza Freddy, mialohan'ny hidirany an-tanety eto Madagasikara... ♦ Misy ny fepetra noraisina momba ny fifamoivoizana an-tanety, manoloana ny fiavian'ny rivo-doza Freddy. Mitsahatra avokoa manomboka anio ny fitanteran'olona sy entana mihazo ny Faritra atsimon'ny nosy, indrindra ny anio alina... ♦ Nitrangàna fifamonoana tany amin'ny Kaominina Esira, Distrikan'Amboasary atsimo. Olona miisa 06 no namoy ny ainy, am-polony no naratra, vokatry ny fifandonana teo amina fianakaviana roa avy amin'ny fokontany samihafa...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...