♦ Nosoloina nandritra ny filan-kevitry ny ministra natao omaly ny governoran'ny Faritra miisa efatra eto amin'ny nosy, dia ny any Diana, Amoron'i Mania, Ihorombe ; voatendry omaly ihany koa ny governoran'ny Faritra Alaotra Mangoro... ♦ Hanao laharam-pahamehana amin'ny ady amin'ny kolikoly ny Ministry ny Fitsaràna vaovao Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana... ♦ Namela takaitra tamin'ny Faritra miisa enina tany amin'ny tapany atsimon'ny nosy ny rivo-doza Freddy. Niisa 04 ireo olona maty araka ny tatitra vonjy maika navoakan'ny BNGRC omaly. Miisa 16 709 avy amin'ny fianakaviana 4 103 no tra-boina... ♦ Miantso fampitsaharana ny ady any Ukraine i Papa François omaly, tokony hitodika amin'ny fifampidinihana hikatsahana filaminana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...