♦ Hatao ny ezaka rehetra, hahafantarana ny tena trosan'ny JIRAMA, hafahana mamaritra ny paikady hamafana izany, hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo... ♦ Tokony mahazo sakafo ara-pahasalamana sy manaraka ny fenitra ny mpanjifa. Anton'ny sonia fifanarahana fiaraha-miasa, natao omaly, nifanovan'ny FAO sy ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana... ♦ Hiroso amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena isika amin'ity taona ity : manantena ny CNFM fa hiakatra ny tahan'ny vehivavy mandray anjara amin'izany, noho ny ezaka fanentanana ataon'izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...