♦ Mihamanatona ny morontsiraky ny Faritra Atsimo Andrefana indray, ilay rivodoza Freddy. Hitohy hahazo rotsak'orana betsaka ny tapany andrefana sy ny atsimon'ny nosy, hatramin'ny alatsinainy... ♦ Vehivavy 80000 no hanatrika ny lanonana ôfisialy hanamarihana ny 8 marsa eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina, amin'ny alarobia izao. Hetsika eo ambany fitarihan'ny vadin'ny Filoham-pirenena... ♦ Voavaha ny olan'ireo mpiasan'ny lalamby FCE, rehefa nanao fitokonana lavareny, noho ny tsy fandraisana karama. Nahita vahaolana niaraka tamin'ny Minisitry ny Asa sy ny Asam-panjakana, izy ireo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...