♦ Miditra amin'ny andro fahefatra anio, ny "Sinaody Eglizy miara-dia", dingana kaontinantaly tanterahana any Addis-Abeba. Handravina ireo hevitra voaangona ny mpandray anjara, handrafetana ny tahirin-kevitra hatolotra ny Vatican, hodinihin'ny Eevaka amin'ny volana ôktôbra 2023... ♦ Voavaha ny olan'ny mpiasan'ny lalamby FCE, tao aorian'ny fitokonana lavareny noho ny tsy fandraisan'izy ireo karama... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ireo karazam-biby sy zava-maniry dia, manao ezaka hiarovana ny sokatra any amin'ny faritra ipetrahany, ny tompon'andraikitra samihafa...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...