♦ Miha-manalavitra hatrany ny morontsirak'i Madagasikara ny foiben'ny rivo-doza Freddy. Mbola manan-kery anefa ireo filazàna loza samihafa, noho ny rotsak'orana entiny, hoy ny Météo ny antoandro teo... ♦ Nanaovana be midina androany maraina ny sekoly katôlika iray any Morondava. Noravàna ny mpianatra, norahonana hitondràna OMC na dia tsy nahalala ny fepetra amin'n mbola fiatohan'ny fampianarana aza... ♦ Misokatra ny fandraisana antontan-taratasy hasolo ny toeran'ny Loholona iray, izay banga eny amin'ny Lapa maitson'Anosikely. Anisan'ny anarana efa mandeha mety ho tendrena amin'io toerana io ny Jeneraly Richard Ravalomanana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...