♦ Hotanterahana eny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina ny fankalazana ôfisialy ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy. Handray anjara amin'izany ny solotenan'ny vehivavy avy amin'ny Faritra 23... ♦ Fandalovan'ny rivo-doza Freddy tany amin'ny morontsiraka atsimo andrefana, miisa 08 ny olona maty araka ny tatitra vonjy maika navoakan'ny BNGRC. Olona iray no tsy hita popoka. Miisa 40.000 mahery no tra-boina... ♦ Hiara-hiasa hiady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo ny ôfisim-pirenena ho an'ny Fanjarian-tsakafo na ny ONN sy ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Manentana ny olona hampiasa ny sakafo ara-pahasalamana sy mitondra otri-kery samihafa ny ONN. Ny Ministera no miantoka ny masomboly tsara kalitao...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...