♦ Misy amin'ireo solombavambahoaka IRD no manomboka miala amin'ny fitondràna amin'izao akaiky fifidianana izao. Ilaina ny fihainoana azy ireny satria mahatsiaro ho voahilika, hoy ny mpandinika ny raharaham-pirenena, Moussa Soalihy... ♦ Nanome antoka ny mpitarika ny FMI-Malagasy fa azon'ny fitondram-panjakàna gadraina, raha tsy tanteraka ny soson-kevitra harosony, hampidinana amin'ny ampaha-efany ny vidim-piainana eto Madagasikara... ♦ Olona 23 isa no maty tany Ambilobe, noho ny faharendren'ny sambo iray, saika hitondra mpandeha antsokosoko atsy amin'ny nosy Mayotte. Nitsidika tany an-toerana ny Praiministra omaly, nanoloana izao loza nitranga izao...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...