♦ Niadian-kevitra teny Ambatonakanga ny momba ny tsy maty manota sy ny zo tsy azo ivalozana ananan'ny solombavambahoaka. Tsy ampy ny fananganana vondrona samihafa miady amin'ny kolikoly hoy ny filohan'ny CSI Rabenarivo Sahondra fa zava-dehibe koa ny fandraisana andraikitry ny rehetra... ♦ Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny mpanjifa isika teto Madagasikara. Tany Toamasina no nanamarihan'ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa izany... ♦ Miverina indray ny disadisa eo amin'ny Ben'ny Tanàna sy ireo fikambanan'ny mpivarotra ao amin'ny tsenan'Anosiala-Ambohidratrimo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...