♦ Hanao vaindohan-draharaha ny famerenana ny fandriam-pahalemana amin'izao ankatoky ny fifidianana izao ny mpitandro ny filaminana, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa... ♦ Hifarana anio ny fe-potoam-piasan'ny Filankveitra Ambony Miaro ny Demôkrasia sy ny Fanjakana Tan-dalana. Noraisin'ny Filankevitry ny Minisitra omaly ny didim-panjakana manamarina izany. Tsy anio, fa mbola amin'ny septambra vao tapitra ny fe-potoam-kiasan'ny HCDDED, hoy ny Filohany... ♦ Ankalazaina androany, ny Andro Eran-tany ho an'ny Toetry ny andro. Amin'ny alalan'ny fambolen-kazo no anehoan'ny Minisitera tompon'andraikitra sy ny Sampana Mpamantatra ny toetry ny andro izany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...