♦ Voasolo tena avokoa ireo ankolafin-kery rehetra, nandritra ilay fampihaonana momba ny zotram-pifidianana, nokarakarain'ny CENI androany, teny Alarobia... ♦ Niala tsy ho ao anatin'ny kômity mpanara-maso eo anivon'ny Fitsarana miady amin'ny kolikoly, na PAC, intsony ny Fiarahamonim-pirenena. Nanao fanambarana izy ireo androany, nilaza fa miteraka korontana ara-pitantanana ilay lalana Idealson, nolaniana tamin'ny taona 2021... ♦ Tsy nisy afa-tsy 7,84% ny taham-panaovam-bakisiny fanefitry ny Covid-19, teto Madagasikara, tao anatin'ny roa taona. Nahazo daozim-bakisiny "Pfizer" maherin'ny 7 alina indray isika Malagasy androany, hampitomboana isa izay fanaovam-bakisiny izay...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...