♦ Tsy tokony hiziriziry ny fitondram-panjakàna, raha misy ny fehin-kevitra tapaka hisian'ny fifidianana madio sy eken'ny rehetra, aorian'ny fampihaonana ataon'ny FFKM, hoy ny vovonana Gasy Leo... ♦ Tra-tehaky ny pôlisy ireo olona miisa 09 mpamono mpampily taxi amin'ny alina eto Antananarivo. Entin'izy ireo mitsoaka ny fiara, hakàna ireo kojakoja fanolo, ka amidy eny Andravoahangy. Mpamily miisa 03 no efa niharan'izany... ♦ Hanomboka ny Alatsinainy izao eny Betongolo ny Fitsaràna miaramila ho an'Antananarivo ho an'ity taona ity. Misy ny tsara ho fantatra momba izany...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...