♦ Mitsidika eto Madagasikara ny iraky ny Firenena Mikambana, mifanakalo hevitra amin'ny tompon'andraikitra Malagasy momba ny tontolon'ny fifidianana eto amintsika. Ny Filohan'ny CENI no nandray azy ireo androany... ♦ Natolotra ho an'ny Distrikan'Antananarivo Atsimondrano, teny Vontovorona, Kaominina Alakamisy Fenoarivo, ny milina fanodinana tantely, avy amin'ny Minisitera Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana... ♦ Hiala tsy ho mpanazatra ny Barean'i Madagasikara intsony Andriamatoa Nicolas Dupuis, tao aorian'ny faharesena roa misesy nahazo ny Ekipam-pirenena Malagasy tamin'ny fihaonana tamin'i Centrafrique...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...