♦ Hisy ny hetsika fisorohana ny lozam-pifamoivoizana amin'izao ankatoky y fetin'ny Paka izao. Manao hetsika fanentanana amin'ireo toby fiantsonana samihafa nanomboka omaly ny Ministry ny Fitanterana sy ny Ministry ny Filaminam-bahoaka... ♦ Olona manana toe-tena varira miisa 07 no nisy naka ankeriny hatramin'ny fiandohan'ity taona 2023 ity, raha ny tatitry ny Fikambanana Albinos Madagascar. Efa mba nihena ny fanilikilihana azy ireo eo anivon'ny fiaraha-monina... ♦ Mpianatra avy amin'ny Oniversitem-panjakàna miisa 03 eto Madagasikara no niara-nanao fitokonana omaly. Nanao hetsika filanjàna sora-baventy avokoa izy ireo, mitaky ny vatsim-pianarana miampy fampitaovana 05 volana tsy voaloan'ny Fanjakàna...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...