♦ Manahy ireo masoivoho vahiny miisa 08, araka ny fampitam-baovaon'izy ireo, ny amin'ny mety hisian'ny fihenjanana ara-politika, tamin'ny naoty manakana ny hetsika sy fivoriana ara-politika ankalamanjana, navoakan'ny Ministry ny Atitany. Malalaka ny fanehoan-kevitra saingy mila fahazoan-dalana... ♦ Namoahan'ny BIANCO, filazana fikarohana ny tale jeneraly teo aloha an'ny orinasa JIRAMA sy ny tale jeneraly nisolo toerana azy, Andriamatoa isany Andriamanga Vonjy sy Radanielina Rivo... ♦ Manao antso avo amin'ny mpitondra fanjakana ny mba hamonjena azy ireo ny mponina any Sandramorona, 72km miala an'i Mananjary, fa toy ny vono moka ny hanaovan'ny dahalo ny mponina ao, ary robain'izy ireo ihany koa ny fananany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...