♦ Mitsipaka ny fanemorana ny fifidianana izay ho Filohan'ny Repoblika sy ny firosoana amin'ny fitondrana tetezamita, ny Solombavam-bahoaka miara-dia amin'ny Mihava Tour. Tsy tokony ho sakana hanemorana ny fifidianana, hoy izy ireo, ny tsy fahalavorarian'ny fanomanana... ♦ Nahemotra ho amin'ny fotoana manaraka ny asam-baomiera handinihana ny fanitsiana ny lalàna mifeny ny fampiasam-bola eto Madagasikara, teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza... ♦ Omena ny mpilalao ny 60% amin'ilay vola valin-kasasarana nandritra ny fifaninanana CHAN 2022, natao tany Algérie farany teo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...