♦ Hifantoka betsaka amin'ireo olana maro miverimberina ary tsy mety voavaha eny anivon'ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny asa fikarohana ny filan-kevi-pirenenan'ny Sendikà SECES...  ♦ Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra fa tsy hisy ny fanitsiana ny lalàna mifehy teti-bolam-panjakana ho an'ny taona 2023 na ny LFR... ♦ Mitaky ny fampahafantarana ny mpisehatra rehetra ny dingana manaraka amin'ny fandrafetana ny lisi-pifidianana sy ny tetiandrom-pifidianana ny KMF/CNOE Fanabeazana Olomp-pirenena... ♦ Miato hatramin'ny 18 jona izao ny asan'ny Papa François, fialan-tsasatra taorian'ny fandidiana azy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...