♦ Nahemotra, raha tokony ho androany ny adihevitra teo amin'ny Minisitra sy ny Solombavam-bahoaka, momba ny tatitry ny asan'ny Governemanta. Voalaza fa vitsy ireo Solombavam-bahoaka tonga hanatrika izany teny Tsimbazaza... ♦ Mitaky fiarovana ireo mpiasan'ny fananan-tany amin'ilay hetsiky ny fitondrana, hizarana karatany 2 tapitrisa amin'ity taona ity. Velona ahiahy ny sendikan'ny Inspecteurs des domaines, satria efa maro ireo naman'izy ireo nogadraina amin'ny fanatanterahana hetsika toa izao... ♦ Nampidi-bola 38 tapitrisa Euros tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny asa tanana, tamin'ity taona ity. Misy ireo hetsika samihafa, hanamarihana ny Andro maneran-tany ho an'ny asa tanana, ao an-drenivohitra hatramin'ny sabotsy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...