♦ Tsy ekena ny fikasihan-tanana ataon'ny mpanao pôlitika amin'ny mpitandro ny filaminana, toy ny zava-nisy tany Morondava hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Mandalo fankatoavana eny amin'ny antenimeram-pirenena anio ilay famatsiam-bola 250 tapitrisa dôlara avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena hanavaozana ny tambazotra herinaratry ny Jirama... ♦ Manodidina ny 400.000 isa ny olona efa nisitraka ny fizaham-pahasalamana na ny fitiliana na ny toro-hevitra sy fanafody, tao anatin'ny Rodorodo ara-pahasalamana. Niainga omaly indray ny Caravane Médicale ho an'ny Itasy sy Bongolava ary Sôfia... ♦ Anio tolakandro no halevina ny praiministra Italiana teo aloha Silvio Berlusconi...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...