♦ Mbola tsy mety tapitra ny resa-be naterak'ilay vaovao milaza ny fizakan'ny Filoham-pirenena ny zom-pirenena frantsay. Hampiova ny fitiavany an'i Madagasikara sy ny hitakiany ireo "Îles éparses" izany, hoy i Moussa Soalihy... ♦ Nanokatra fanadihadiana ny Oniversiten'Antananarivo, manoloana ny fiparitahan'ilay tranga mamoafady niseho teny Ankatso omaly... ♦ Nisehoana asan-dahalo mahery vaika indray tany Beakanga, Kaominina Vasiana, Distrikan'i Mandoto, androany. Namoizana ain'olona izany, ankoatra ireo omby 80 very, lasan'ireo dahalo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...