♦ Mampitandrina ireo manaparitaka laza adina amin'ny tambajotran-tserasera ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena. Nanome antoka izy ireo fa ho voaaro tsara izany, mandritra izao fanadinam-panjakàna BEPC izao... ♦ Karatany faobe miisa 37.000 no kendrena ho zaraina anatin'ny tetik'asa TAFITA amin'ity taona ity eto amin'ny Faritra Analamanga sy Itasy. Ny 14.000 amin'ireo no efa voazara hatramin'izao... ♦ Ho vita ao anatin'ny roa volana ny foto-drafitr'asa famatsiana rano fisotro madio any amin'ny Kaominina Anivorano-Nord, Distrika Antsiranana faharoa. Nijery ifotony nanara-maso ny asa fanamboarana ny Ministry ny rano...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...