♦ Mandeha ny resaka fa mety hisy ny fivoriana tsy ara-potoana ny Antenimiera, hanovana ny fehezan-dalana momba ny zom-pirenena. Kajikajy pôlitika izany, hoy ny antoko Fiombonana, fa ny hanitsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana izao no tokony ho laharam-pahamehana... ♦ Mitaky ny hampitsaharana ny fanenjehana ara-pitsarana ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon'ny CNaPS, ny Teraky ny Faritra Atsimo Atsinanana. Nanao fanambarana izy ireo, nilaza fa tsy mitombina ny fanenjehana azy, ary misy fitongilanana ny fampiharana ny lalàna...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...