♦ Manaraka akaiky ny zava-misy eto Madagasikara ny IDC-CDI, fikambanana iraisam-pirenena miara-miasa amin'ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Mbola betsaka ireo fanamby miandry an'i Madagasikara amin'ny lafiny demôkrasia hoy izy ireo... ♦ Mikasa ny hanondrotra saran-dalana ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fitanterana amin'ny zotra nasiônaly sy ireo filohan'ny Kaoperativa. Nisy ny dinika nataon'izy ireo ka manodidina ny 10% izay fisondrotana izay... ♦ Niakatra ny taham-pahafahana fanadinana CEPE manerana ny nosy, farany teo. Nahatratra 76% izany tamin'ity taona 2023 ity... ♦ Lasibatry ny ora-mikija ny faritra avaratr'i Inde. 60 mahery no maty vokatry ny tondra-drano sy ny fihotsahan'ny tany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...