♦ Nikorontana ny fizotry ny fanadinam-panjakana Bakalôrea, nanerana ny nosy androany tolakandro. Nihemotra ny adina Tantara sy Jeôgrafia, satria nosoloina ny laza adina efa vonona, noho ny ahiahy amin'ny fisiana "fuite de sujet"... ♦ Hidina an-dalambe ny RMDM, hanohitra ny fisian'ny vahiny mitondra ny firenena, manoloana ny resaky ny Filoha ny alahady teo, momba ny fanekeny fizakana zom-pirenena frantsay... ♦ Latsaky ny 77%, ny tahan'ny fahantrana eto Madagasikara ankehitriny, raha ny kajikajin'ny INSTAT. Vinavinaina ho 4% kosa, hoy ny avy amin'io Ivontoerana io, ny fisondrotry ny harin-karena faobe, amin'ity taona 2023 ity...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...