♦ Tsy hiadin-kevitra fa mihemotra eo amin'ny lafiny toe-karena sy sôsialy i Madagasikara hoy ny vondron'ireo manampahaizana nasiônaly na ny GEN. Soso-kevitra narosony ny fanovàna rafitra... ♦ Efa mandeha ny fifampidinihana hahafahana mamerina ireo petra-bola any amin'ny orinasam-panjakàna hafa, hoy ny filohan'ny filan-kevi-pitantanana eo anivon'ny CNaPs... ♦ Miteraka sakana amin'ny fotoana tokony hamoahan'ny mpanazatra ny lisitry ny Barea hiatrika ny lalaon'ny nosy, ireo lalao amin'ny fandaharam-potoana samihafa izay tsy maintsy atrehin'ireo mpilalao sasany natsoina handrafitra ny Barea... ♦ Lasibatry ny hafanana be ny any Espagne sy Portugal. Tombanana hihoatra ny 40°C any amin'ny faritra sasany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...