♦ Nitsidika tao  FATIMA toerana nisehoan'i Masina Maria tamin'ireo ankizy miisa 3 mianadahy mpiandry ondry tamin'ny taona 1917 ireo Ekipan'ny Fahazavan'i Madagasikara nandray anjara tamin'ny JMJ tany Lisbonne Portugal... ♦ Mitsingerina androany ny faha-32 taonan'ny diaben'ny fahafahana notarihan'ny "hery velona Rasalama". Fidinana an-dalambe nankeny Iavoloha niafara tamin'ny rà mandriaka. Olona maro no namoy ny ainy, toa izany koa ireo naratra... ♦ Nanaitra ny mpitantana ny tanànan'Antananarivo renivohitra manoloana ny fivangongoan'ny fako amin'ny faritra maro ao an-drenivohitra indray ny mpikambana eo anivon'ny Antoko Politika Madio. Hetsika notanterahana teny Namontana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...