♦ Hiverina eto Madagasikara ka hiantsona mandritra ny 2 taona ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina indray ilay sambo hôpitaly lehibe MERCY SHIPS. Hahazo fitsaboana avy amin'ny mpitsabo entin'izany sambo izany avokoa ny mponina mila izany manerana ny nosy... ♦ Saron'ny mpitandro filaminana tao Moramanga ireo ireo andian-jiolahy saika hanafika tranombarotra iray... ♦ Hanatsara ny fanabeazana ny zazavary sy ny tovovavy ny Skoto katôlika Fanilon'i Madagasikara. Manofana ireo tompon'andraikitra avy amin'ny Diôsezy miisa 9 ny skoto 5 mirahavavy avy any Angletera...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...