♦ Kandidà ho filoham-pirenena 13 no efa fantatra fa  hirotsaka amin'izao iray andro mialohan'ny hisokafan'ni fandraisana ny taratasy firotsahan-ko fidiana  izao. Tokony havaozina ny lalàm-pifidianana mba tsy hahabetsaka loatra ireo kandidà, hoy ny antoko Teza... ♦ Efa vonona amin'ny fandraisana mpivarotra ny tsenan'ny COUM eny amin'ny 67HA, taorian'ny fanavaozana natao. Afaka handray mpivarotra 2.000 isa ny eny an-toerana, aorian'ny fotoana hisokafany, izay mbola tsy voafaritra... ♦ Olona miisa 9 indray no namoy ny ainy, vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Andohamanjongy Fianaratsoa. Nandray fepetra hentitra ny Ministeran'ny Fitanterana, manoloana ny loza nisesisesy nahafatesan'olona am-polony maro, tato ho ato...

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...