♦ Misy amin'ireo mpirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena no miahiahy sahady amin'ny tsy hisian'ny fifidianana madio sy mangaraharaha amin'ny 9 novambra. Kandidà iray no nametraka taratasy fitarainana teny amin'ny HCC... ♦ Namoaka fanambaràna manoloana ny zava-misy eny amin'ny Anjerimanontolo ny Ministeran'ny Fampianarana ambaratonga ambony. Fanambaràna miantso ny SECES, mba hamita sy hamarana ny taom-pianarana, araka ny tokony ho izy... ♦ Nihoatry ny 100 nanomboka omaly ny medaly azon'i Madagasikara amin'ny lalaon'ny nosy tanterahina eto amintsika. Medaly volamena avokoa ny antsasak'ireo, raha ny antontan'isa ôfisialy nivoaka ny maraina...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...