♦ Nampiantso ireo kandidà ho Filoham-pirenena teny Ambohimanoro, ny takariva teo, ny FFKM. Efa manomboka misy mangirana ny dinika, raha ny fanazavan'ireo Ray aman-dreny am-panahy... ♦ Sambany tsy nisy baomba mandatsa-dranomaso ny hetsiky ny vondron'ireo kandidà androany. Nanao diabe am-pilaminana, niakanjo fotsy, niaraka tamin'ireo mpiara-dia aminy teny Andavamamba sy Ampefiloha, izy ireo... ♦ Andro maneran-tany ho an'ny mpampianatra ny androany 5 ôktôbra. Mbola mandray karama ambanin'ny karama farany ambany, ny mpampianatra malagasy, hoy ny SEMPAMA...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...