♦ Mandeha ny feo fa misy andiana Solombavam-bahoaka, mikasa hanongana ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena amin'ny toerany, noho ny hevitra hijoroany manoloana ny raharaham-pirenena... ♦ Nitanisa ireo ampihimamba, fahantrana, fiakaran'ny vidim-piainana mianjady amin'ny vahoaka, ireo kandidà 11 androany, nandritra ny lahateny teny Mahamasina... ♦ Mandrahona ny tsy hanohy ny asa sy hampikatso ny fampandehanan-draharaham-panjakana, ny vondron'ny mpiasam-panjakana ambony, tamin'ny fanambarany androany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...