♦ Nanazava ny antony nanemoran'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ny fifidianana filoham-pirenena fiodinana voalohany amin'ny 16 nôvambra 2023 ny filohan'ny CENI. Fahefana handrindra ny fifandraisana amin'ny samy andrim-panjakàna no antony hoy izy... ♦ Hijoro hampihavana ireo mpifanandrina pôlitika sy  ireo kandidà tsy mitovy hevitra manomboka izao ny kandidà niara-dia tamin'ny vondron'ny kandidà 11, dia ny kandidà Lalaina Ratsirahonana... ♦ Mandrahona hampikatso ny fampandehanan-draharaham-panjakàna manoloana ny fizirizirin'ireo mpanao pôlitika tsy mety mifampidinika ny Vondron'ny Mpiasam-Panjakàna ambony...

 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...