♦ HItohy anio ny hetsi-pitakiana ataon'ny vondron'ny kandidà. Mifampitaona amin'ny toerana maro indray izy ireo. Noravan'ny mpitandro filaminana, ny diabe nataon'izy ireo, omaly... ♦ Tsy azo idovirna ny fampiasan'ny mpamokatra ny tetiandrom-pambolena hampihenàna ny fiatraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro amin'ny fambolena. Nampahafantarina omaly ny tetiandrom-pambolena taona 2023-2024... ♦ Mitaky ny hamahan'ny fitondram-panjakàna ny olan'ny SECES ny mpianatry ny ENS eny Ampefiloha mba afahana manohy sy mamarana ny taom-pianarana 2022-2023. Efa-bolana no niatohan'ny fianarana noho ny fitokonana ataon'ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...