♦ Nanamafy ny eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena fa tena jiolahy, ireo olona dimy namoy ny ainy, tamin'ilay fifampitifirana teny Andohanimandroseza... ♦ Rahampitso amin'ny 10 ora maraina no hamoaka ny vokatra vonjy maika tamin'ny fifidianana ny 16 nôvambra 2023, ny CENI. Efa ny 91%-n'ny birao fandatsaham-bato no namoahany vokatra tamin'ny 10 ora maraina teo... ♦ Vehivavy iray amin'ny telo no mbola iharan'ny herisetra eto Madagasikara, raha ny tatitry ny FNUAP. Laharana faha-14 maneran-tany isika amin'ny fampanambadiana ankizy tsy ampy taona, izay matetika iharan'ny herisetra ao an-tokantrano...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...