♦ Mahita ny madilana mila hotentenana tamin'ny fifidianana farany teo ny governemanta amerikana. Miantso ny CENI hamaha ireo olana misy ary miantso ny governemanta hanadihady ny momba ny tsy fahatomombanana... ♦ Tsara ny voka-bary tamin'ity taona ity. Nitombo 8% izany raha mitaha tamin'ny taona lasa. Manohy hatrany ny asa atao hampitomboana ny voka-bary ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana... ♦ Nofaritana ho eo anelanelan'ny 11 desambra hatramin'ny 15 janoary 2024 ho avy izao ny hanombohan'ny taom-pianarana 2023-2024 ho an'ny anjerimanontolo miisa 6 eto Madagasikara sy ny IST 3 manerana ny nosy ♦ Toto afo ny zera baomban'ny tafika israeliana any Gaza nanomboka omaly maraina...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...