♦ Namoaka fanambaràna manoloana ny fampiantsoana mpanao gazety sy fisamborana olona tato ho ato ny Vondron'ny kandidà 11. Tsy milamina ny raharaha eo anivon'ny Foloaliindahy matoa misesisesy ny famotorana noho ny ahiahy fikomian'ny miaramila hoy izy ireo... ♦ Hampihena farak'izay tratra ny fanafarana entana ny Fanjakàna malagasy amin'ny taona ho avy io, araka ny voafaritra anatin'ny lalàna lasitra mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2024 ; nitondra fanazavana ny Ministry ny toe-karena... ♦ Fianakaviana maherin'ny 100 any amin'ny Distrikan'i Soavinandriana no ahiana ho very fananana sy tsy hanan-kialofana . Bodoin'ny Zafikelin'ny lehiben'ny Distrika teo aloha ny tany 80Ha, raha ny fitarainan'ireo mponina...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...