♦ Andrasana ny fijoroan'ny Governemanta, taorian'ny fihanianan'ny filoha ny Sabotsy teo. Tokony ireo ministra tsy manadino vahoaka, rehefa mahazo toerana no mandrafitra ny governemanta vaovao hoy ny AMP, fikambanana tanora mpanohana ny fitondràna...  ♦ Niaka-bidy ny hen'omby eny amin'ny tsena eto Antananarivo amin'izao ka  nahitana fiakarany 2000Ariary isaky ny kilao. Mampitandrina ireo manararaotra amin'izao fety izao ny eo anivon'ny Ministeran'ny fiompiana... ♦ Manantena ny hanamboarana ny lalana mampitohy an'i Tsiroanomandidy - Maintirano ny fikamban'ny ben'ny tanàna any amin'ny Faritr'i Melaky amin'izao fe-potoam-pitondrana faharoa izao. Telo andro ankehitriny no hanaovana izany lalana izany...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...