♦ Voamarina ny fisian'ireo olom-pirenena tsy nahazo kara-pifidianana avy amin'ny Fokontany, tany amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro, noho ny loko pôlitika tsy mitovy... ♦ Misy ny fiandrasan-draharaha eny amin'ny Fitsarana mandritra ny fialan-tsasatra ara-pitsarana, izay nanomboka androany, ary haharitra iray volana... ♦ Tombanana hahazo vahana ny oram-baratra amin'ny faritry ny afovoan-tany amin'ity herinandro ity, hoy ny Météo Malagasy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...