♦ Milanja sora-baventy mihazo ny tanànan'i Ihosy ireo mponina ao amin'ny tanànan'i Ifandana, Kaominina Zazafotsy. Hihaona amin'ny tompon'andraikitra izy ireo ary hitady ny marina momba ny olana ara-tany sedrainy ankehitriny... ♦ Mbola mamita sazy ao amin'ny fonjan'i Tsiafahy Andriamatoa Paul Rafanoharana hoy ny ministeran'ny Fitsaràna. Tsy marina ny feo miparitaka amin'izao fotoana izao fa nalefa any Frantsa izy... ♦ Mbola mila ezaka goavana ny fanatsaràna ny tontolon'ny fizahan-tany eto Madagasikara mba hanatratrarana ny vina napetraka amin'ny mpizahan-tany ho tonga eto amintsika. Azo atao tsara ny manatratra mpizahan-tany iray tapitrisa eto amintsika hatramin'ny taona 2028 hoy ireo mpandraharaha misehatra amin'izany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...