♦ Namoaka hafatra, tao aorian'ny fivoriambe ara-potoana voalohany tamin'ity taona ity ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara. Manova ny fomba fiaina sy ny fifandraisan'ny zanak'olombelona ny valan'aretina misy ankehitriny, hoy ireo Eveka... ♦ Manao antso avo amin'ny sehatra isan-tsokajiny ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, mba ho sahy hijoro manoloana ny zava-misy ankehitriny. Nambarany fa voatohintohina tanteraka ny fahafahana maneho hevitra vokatry ny sakatsakana sy ny ramatahora, eto amin'ny firenena...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...