01 jolay — Teraka tao Homécourt tao Marnes i Masindahy Thierry, ary maty tao Reims ny taona 533. Zanaka tompomenakely sady jiolahy mpandroba an-dalambe antsoina hoe Marcard izy. Tamin’ny andro nanaovana ny mariaziny no nahatsapany ny fiantsoan’Andriamanitra azy mba hiroso amin’ny fiainan’ny mpitoka-monina.

Marihana fa io mariazy nataony io dia ny rainy no nanery azy mba hanambady. Niezaka nandresy lahatra ny vadiny izy mba hidirany amin’ny fikambanan-drelijiozy ka mba hafahany manao izany fiainan’ny mpitoka-monina izany. Nefa moa nandà ilay ramatoa. Nanatona ny evaka tao Reims izy. Ary i Thierry no nilazalaza izany faniriany izany, ka teo indindrindra no mba niangavian’ny Thierry mba hanafoana ny mariazin’izy ireo ka handefa ny vadiny izay mbola virjiny hody any amin’ny ray aman-dreniny. I Thierry tamin’izay fotoana izay notazonin’ny evaka tao Reims ho isan’ny pretrany.

Notanterahin’i Thierry ny antson’Andriamanitra hanaraka an’i Kristy sy handao ny zavatra rehetra. Lasa tokoa izy araka ny iraka nampananovin’ny evaka tao Reims azy ny mba hanokatra trano fitokana-monina. Nankany amin’ny toerana antsoina hoe Mont d’Or izy. Nonina tany anaty ala tany ary nitoka-monina tao, nivavaka sy niasa ny tany. Maro ny mpianany nanaraka azy tany. Taty aoriana dia ny rain’i Thierry mihitsy no lasa mpianany. Rehefa nibebaka io rainy io dia nanaraka azy ihany koa tamin’izany lalan’ny fitokana-monina izany. Taty aorina dia nataon’ny mpanjaka toerana fakana aina rehefa avy any amin’ny Sorona tany Reims io toerana io. Ary tamin’ny taonjato faha-18 dia nataon’ny arseveka fialana sasatra isaky ny lohataona izany toerana izany. Rava izy io avy eo fa nanomboka ny taona 1968 dia ireo mpitoka-monina bénédictins no nipetraka tao amin’ny izay teorana sisa tsy rava. Marihina fa nampitondraina ny anaran’i Masindahy Thierry io tanana io taty aoriana.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...