05 jolay — Teraka tamin’ny faramparan’ny taona 1502 i Antoine-Marie Zaccaria. Zanaka fianakaviana andriana izy. Tao Crémone Lombardi  izy no teraka ary tao ihany ko no notaizana. Mbola kely an-tanana izy dia maty ny rainy ka ny reniny, vao 18 taona tamin’izay, no nitaiza azy tao anatin’ny fitiavam-bavaka sy ny fitiava-namana.

Mbola tany an-tsekoly fanabeazana fototra i Antoine-Marie Zaccaria dia efa nanampy ireo namany sahirana ka vitany ny manokana sakafo sy fitafiana ho an’ireo mahantra sy tena fadiranovana. Nandalina ny filôzfia tao Pavie izy, avy eo niofana ho mpitsabo tao Padoue ka nahavita ny fianarana ny taona 1524. Rehefa tonga mpitsabo izy tamin’izay dia niverina tany amin’ny toerana nahaterahany ka tany no nanao ny asa fitsaboana, ka tsy ny asa fitsaboana vatana ihany no nataony fa nataony ihany koa ny fitsaboana ny fanahy, satria dia nampianatra katesizy tao amin’ny fiangonana Masindahy Vital izy, toerana tsy lavitra loatra ny fonenany. Tsy ny ankizy ihany anefa no tonga maro tamin’ny izany fa teo ihany koa ireo olon-dehibe, nandalim-pinoana niaraka taminy.

Tamin’izay no nahatonga ny faniriany ho pretra ka mba ahafahany manatanteraka izany antso izany dia nandalina ny teôlôjia sy ireo Aban’ny Fiangonana izy. Ny taona 1528, teo amin’ny faha-26 taonany i Antoine-Marie Zaccaria no nohamasinina ho pretra. Noho ny asa soa maro nataony tao Crémone dia nantsoin’ny olona tao izy hoe rain’ny tanindrazana. Tamin’ny 1530 izy no nihazo an’i Milan ka niditra tao amin’ny fikambanana Sagesse Eternelle, tao no nihaonany tamin’ny Barthélémy Ferrari sy Jacques-Antoine Moggia, nanorina fikambanana pretra manaraka ny fitsipik’i Masindahy Augustin izy ireo ary nankatoavin’i papa Clement VII izany ny 18 febroary 1533. Nampitondrainy ny anarana hoe Clerc Régulier de la Congrégation Saint Paul moa io fikambanana io, ary niasa tao amin’ny fiangonan’i Masindahy Barnabé tao Milan, ka nahatonga ny fiantsoana azy ireo hoe : pretra barnabites. Ny papa Paoly III no tena nanome ny fankatoavana io fikambanana io ny 15 janoary 1535.

Nandefa misionera nankany Birmanie, Indo-Chine ary Chine izy ireo, ary nahatratra 72 ny ankohonam-piainana tao Italie. Nisy ihany koa ny tany France sy tany Allemegne. Nanangana fikambanana ihany koa ho an’ireo olona manambady izy. Ary ankoatra izay, ny asa nataony dia nitory teny tao am-piangonana sy teny an-kalamanjana, namangy marary tany amin’ny hôpitaly. Tamin’ny 15 aprily 1536 dia nifidy an’i Jacques-Antoine izy ho lehiben’ny fikambanana ka lasa izy avy eo nanao misionera tany Vicence sy Guastalla. Narary mafy tany izy ka niverina tany Crémone, tany amin’ny tranon-dreniny, ary tany izy no nodimandry ny sabotsy 5 jolay 1539. nambaran’ny papa Pie ampahibemaso tamin’ny taona 1849 ny hatsaram-panahy nananan’i Antoine-Marie Zaccaria ka ny 3 janoary 1890 ny papa Leon XIII no nanandratra azy ho olotsambatra, ary ny 27 may 1897 moa no nambara fa olomasina i Antoine-Marie Zaccaria.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...