27 jolay — Ny Nathalie resahana eto dia ilay Nathalie maty martiry tamin’ny taonjato fahasivy, novonoina niaraka tamin’ny vadiny. Mafy tokoa manko ny fanenjehana ny kristianina tany Cordoue tamin’izany fotoana izany ka raha teo ho velona dia tsy maintsy mifindra musulman.

Anisan’ny niharan’izany fanenjehana izany i Nathalie sy i Aurèle vadiny niaraka tamin’i Félix sy i Liliose izay havan’izy ireo ihany koa. Indray andro nahita kristianina izy ireo nadaboka teo ambony apondra ka natodika tany amin’ny rambonin’ilay apondra ny endriny, naboridana io kristianina io, nokaravasian’ireo mpampijaly nanaraka azy mandram-paratrany, teo ihany koa ny orakoraky ny mpandalo. Fa i Aurèle sy i Nathalie nandritra izany tsy nitsahatra sy naneho ny finoany am-pahibemaso. Niseho teny an-dalam-be ary i Nathalie sy i Liliose tsy nisaron-doha, satria moa izany no fomba musulman tsy maintsy misarondoha ny vehivavy ary tsy mampiseho tava. Nosamborina izy ireo niaraka tamin’ny vadiny avy dia i Aurèle sy i Felix izany. Ary ny 27 jolay 852 niaraka tamin’ny mpitoka-monina iray nantsoina hoe Georges, dia notapahana ny lohan’izy dimy ireo. Marihana fa i Abd al-Rahman II no nitondra tany Espagne, Cordoue tamin’izany fotoana izany. Ny taona 853 dia nentina tany amin’ny Saint-Germain-des-Prés tany Paris ny reliques an’izy ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...