Arahabaina isika mianakavy nahatratra izao taona vaovao izao. Enga anie ity taona ity hitondra hafaliana sy fiadanam-po ary indrindra mba hampanjakantsika mianakavy ny rariny sy histiny eo amin'ny fiaraha-monina. Fa ankalazaina amin'izao fiandohan'ny taona izao i Masina Maria Renin'Andriamanitra. Arahabaina manokana ireo arovan'izany Renin'Andriamanitra izany.

Herinandro ao aorian'ny nahaterahan'ny Mpamonjy no hankalazana ny fetin'i Masina Maria Renin'Andriamanitra, io ilay antsoina amin'ny teny latina hoe: "In octava nativis Domini" na havaloana aorian'ny nahaterahan'ny Tompo. Ny Konsily tao Éphèse tamin'ny taona 431 no nilaza ny fampianaram-pinoana momba ny "théotokos" (Θεοτόκος), izany hoe i "Maria niteraka an'Andriamanitra" satria tena Zanak'Andriamanitra no naterany, olona faharoa ao amin'ny Trinite Masina izay tonga nofo tao an-kibony sarobidy nanomboka tamin'ny fotoana nilazan'ny Anjely fa hiteraka zazalahy izy.

Ny 01 janoary ihany koa dia natokan'ny Fiangonana hankalazana ny andron'ny Fiadanana. Isan-taona ny Papa Ray masina dia mamoaka hafatra hanentanana ny Fiangonana maneran-tany mba handray anjara ny isam-batan'olona amin'ny fampanjariana izany Fiadanana izany. Ka tsy misy hanavahana fa samy tompon'andraikitra ny tsirairay eo amin'ny fianakaviana, eo amin'ny asa sahanina, eo amin'ny fiaraha-monina misy azy hampanjary an'izany Fiadanana izany. Satria i Kristy, Ilay nirahan'Andriamanitra tety an-tany mba hitondra Fiadanana ho antsika olombelona.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...