10 ôktôbra — Teraka tany Grèce tamin'ny fiantombohan'ny taonjato fahafito, avy amin'ny fianakaviana gauloise na bèlge i Ghislain. Tao aorian'ny nandalinany haisoratra tao Athènes dia niditra tao amin'ny fikambanana manaraka ny fitsipi-piainan'i Masindahy Basile izy, ary nohamasinina ho pretra. Nisy nilaza fa arseveka tao Athènes ihany koa izy.

Nipetraka tao Rome i Ghislain mba hivavaka tany amin'ny fasan'ireo kristinanina voalohany, dia ny fasan'i Masindahy Pierre sy Paul izany. Ny taona 648, nalefan'ny papa tany Belgique izy niaraka tamin'i Masindahy Lambert sy Bellère ary tany Maastricht no nifankahalalany sy nananany ho namana an'i Masindahy Amand. Naniry ny hiaina ny fiainan'ny mpanirery i Ghislain. Nitoetra teo amoron'ny renirano izy, ary nanorenany trano kely ho azy sy ny mpianany tao. Nanorina trano fitokana-monina tao amin'ny tananan'i Ursidongus izy, izay nitondra ny anarany taty aoriana. Nisy akony ratsy tany amin'ny Albert, eveka tao Cambrai ny asa fitoriana nataon'i Ghislain, ka nampiantsoina sy nalaina am-bavany ny momba izany izy, fa hoy izy hoe : "Grika aho, ary kristianina. Teraka tao Athènes ary nateraka fanindroany tamin'ny batemin'i Jesoa Kristy. Tao Roma aho, ary noho ny baiko avy amin'Andriamanitra dia tonga amin'ity tanana ity aho, Ursidongus. Niasa tamin'ny tanako aho ary te hanorina toeram-pivavahana hanajana an'i Masindahy Pierre sy Paul, ka mangataka ny alalana avy aminao hanohy izany". Teo dia niaro an'i Ghislain ny papa ka ny 653 no notsofina rano ny fiangonany. Maro no nanara-dia ny aim-panahin'i Ghislain, anisan'izany ireo mpirahavavy nantsoina hoe Aldegonde sy Waudru. Nodimandry ny taona 658 i Ghislain, ary nalevina tao amin'ny fiangonana nisy ny trano fitokana-monina naoriny, izay nanaovany fahagagana maro. Ny taonjato fahasivy no tena nanomboka ny fanajana azy.

Indray andro, raha handeha hitatitra ny asany tany amin'ny eveka i Ghislain, rehefa avy tany Cambrai izy dia nahita ny châtelain sahirana sy very hevitra satria satria saro-piterahana ny vadin'ity rangahy ity ka efa teo am-bavahaonan'ny fahatesana mihitsy. Nomen'i Ghislain an'ilay rangahy ny fehikibony ary nataon'io lehilahy tamin'ny kibon'ny vadiny. Sitrana ilay ramatoa ary teraka soa aman-tsara. Nataon'i Ghislain batemy io zaza io ary nomeny anarana ho Baudry.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...