Alatsinainy 28 septambra 2020 — Herinandro faha-26 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 46-50 — Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

0 : 00

Ry kristianina havana, avy nanambara ny hifaran'ny fiainany i Jesoa. Niady hevitra ny Apôstôly noho izany hoe : iza no ho lehibe hitarika azy rehetra, rehefa lasa tokoa i Jesoa. Saika voajanahary amin'ny olona rehetra ny hoe te ho lehibe, te hajaina, te ho lohany, te ho ambony. Toa ady seza izany, fitavam-pahefana, fitiavam-boninahitra... Fakam-panahy mety hahazo ny olombelona rehetra koa anefa, noho izany samy mandini-tena satria samy mety ho latsaka amin'izany amin'ny sehatra sy amin'ny fomba samihafa.

Fihavaozana lehibe nentin'ny fampianaran'i Jesoa ny fitsimbadihan'ny rasa. Nivadika tanteraka. Iza no lehibe ? Izay manaiky ho kely. Iza no tompo ? Izay manompo. Ny ankizy no atolotr'i Jesoa ho maodely ho an'izay mikatsaka ny fanjakan'ny Lanitra. Fanetren-tena, tsy mihambo ho manana na inona na inona ireharehana. Tsotra, marina ary matoky. Natao ho an'ny olona rehetra ny famonjena, tsy vitan'olom-bitsy koa anefa, noho izany, hoy ny Kônsily Vatikana II hoe : "Mety ho tsiokan'ny Fanahy Masina ny vavaka, ny asa soa ary ny fahamarinana ilofosan'ny olona rehetra, na dia tsy iray finoana tanteraka amintsika kristianina aza". Tsy misy antony, noho izany, hananganana efitra, hifanavakavahana. Hoy i Masindahy Paoly hoe : "Rehefa i Kristy no toriana dia ampy izay", satria ny famonjena ny olona rehetra no tanjona. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...