Sôva dia karazan-tononkalo tsimihety mitsikera toe-javatra iray na mitantara toe-javatra iray amin'ny teny mirindra matetika miady rima. Ny foko Tsimihety sy ny Betsimisaraka-avaratra no tena tompon'ny Sôva. Lehilahy havanana sy efa manana fahaizana manokana ny mpiangaly sôva. Atao an-kavoriana ny sôva, mandritra ny fotoam-dehibe eo an-tanàna. Fanoritsoritana zavatra fahita sy iaraha-mahafantatra eo amin'ny fiainana an-davan'andro. Ny sôva dia ahitana fampitahana sy fitanisana : endrika na toetra ; hita amin'ny zavatra na biby. Tsy mitovy ny sôva, ny vakisôva, ny tandonaka, ny jijy, ny rija betsileo. Misy vehivavy antsoina hoe mpandrombo izay mandrisika an'ilay mpiventy... Ny lamako dia valanondranon'omby, fitaovana ilaina amin'ny sôva.

ohatra: Sôva momba ny satrana

Vôdiny karaha damizana, ny vatany karaha fangarinana, raviny karaha rary tsy efa, ny atiny hotry kapilahazo, lematy lavo an-drano karaha voay, marôkorôko karaha androngovato...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...