Ny Teny "kiswahili" dia efa nisy tamin'ny taonjato faha-10, nivelatra hatrany izy na teo aza ny tosika nentin'ny teny "Malais". Ny teny kiswahili dia fitambaran'ny teny Arabo sy ny teny Bantou. Ny Arabo no maro nandraharaha ara-barotra sy nivezivezy tamin'ny ilany Avaratra sy atsinanin'i Afrika. Maro ireo teny Malagasy no manandrify ny teny kiswahili (kamba ≈ Makamba, Nanasi ≈ Mananasy, Arahaba ≈ Miarahaba) Velona sy mivoatra ny teny Kiswahili, isan'ireny ny fampiasantsika Malagasy ny voambolana "FONJA" izay manana hevitra hoe fanidina amin'ny toerana iray, "FONGA" amin'ny teny Kiswahili...