Tamin’izany andro izany, tafangona an’arivony maro ny olona ka efa nila hifanosy mihitsy, dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe: "Tandremo aloha indrindra sao voan’ny lalivain’ny Farisianina ianareo, izany hoe: ny fihatsarambelatsihy. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. Koa izay rehetra nolazainareo tao amin’ny maizina dia ho re ao amin’ny mazava, ary izay nobitsihinareo tamin’ny sofina tao an-trano, dia hotorìna eny an-tafon-trano. Ka izao no lazaiko aminareo sakaizako: Aza matahotra izay mahafaty ny nofo, nefa rahefa izany tsy afa-manoatra intsony; fa hany tokony hatahoranareo dia izao: matahora izay manam-pahefana hamarina any amin’ny afobe rahefa novonoiny ianareo; eny, hoy Aho aminareo, matahora azy. Moa tsy ilavoamena va no vidin’ny fody dimy? Kanefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ireny na dia iray aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra àry, fa mihoatra lavitra noho ny fody maro ianareo."